Hentitra kokoa ny fisavana any anatin’ireo tranombarotra lehibe na ny antsoina hoe « Grande surface » eto Antananarivo amin’izao fotoana izao.

 Ny faran’iny herinandro nivalona iny dia efa tsikaritra ny fisian’izany teny amin’ny tranombarotra maro toy ny  Shoprite Analakely, Jumbo Score Ankorondrano…. Atahorana mafy ny mety hisian’ny asa fampihorohoroana toy ny fametrahana baomba na zavatra mety hampidi-doza any amin’ireny toerana ireny mandritra ny frankofonia, ka hisorohana izany no antony raha araka ny angom-baovao natao. Toa manamafy hatrany ny ahiahin’ny maro ny maha mampidi-doza ny fandraisana ny fivorian’ny Frankôfônia izao fandraisana fepetra momba ireo « grandes surfaces » ireo izao. Lojika be ilay izy satria anisan’ireo firenen-dehibe mandaroka baomba sy miady amin’ny arabo any Irak sy Siria ny Frantsay ary efa noraisin’ny vondrona « Etat Islamique » ho fahavalony ka na aiza na aiza misy tombontsoany na zavatra mety mifandray aminy dia ahiana ho avy hanao herisetra ao ity vondrona mampihorohoro ity. Fantatry ny rehetra tsara ny zava-nitranga tany Frantsa herintaona tamin’ny taon-dasa tahaka ny asa fampihorohoroana nitranga tao Paris sy tany Nice ka izay no mahatonga izao fandraisana fepetra hentitra dia hentitra izao. Tsikaritra ihany koa tato anatin’ny andro vitsy izao ny fametrahana « caméra de surveillance » amina toerana vitsivitsy eto an-drenivohitra tahaka ny eny Ampasika sy eo amin’ny manoloana ny fidirana ny hotely Carlton Anosy. Re ihany koa fa orinasa vahiny maromaro no nanamafy ny fanaraha-maso sy fitandroana ny filaminana ao aminy mandritra io herinandron’ny Frankôfônia io ka na ny fidirana sy fivoahan’nympiasa sy ny entana mety hoentiny aza dia araha-maso akaiky dia akaiky.

Toky R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.