Mitohy ny fitsidiham-paritra tanterahin’ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara Marc Ravalomanana.

Tao Vatomandry ny delegasiona tarihiny omaly, nihaona tamin’ireo mpikambana sy tompon’andraikitry ny antoko amin’iny Distrika iray any MAVAM iny, nihainoany ny hetahetan’ireo mpikambana tany an-toerana sy olan’ny vahoaka amin’iny Faritra iny. Nizara vaovao, nanome toromarika ny mpiara-dia aminy, ary nitondra vahaolana i Marc Ravalomanana ary tamin’izay no nilazany fa « tsy haka ny harenan’ireo izay manana aho fa hampisondrotra ireo izay tsy manana mba hanana ».

Fa ny marainan’io alahady 20 novambra io dia niara-niombom-bavaka tamin’ny kristianina FJKM ao amin’ny synodam-paritany SP 32 KRIFATA izay manao fivoriambe faha-II tao Vatomandry ny tenany sy ny iraky ny Birao foibe FJKM. 222 ny isan’ny Fiangonana ao amin’ny SP 32 KRIFATA, 14 ny Mpitandrina ary Katekista delege ny ambiny amin’ireo Fiangonana ireo. Tena mila Mpitandrina isika ary efa manomboka ny asa tsangambaton’ny faha-50 taonan’ny FJKM eny Ivato, hoy Atoa Marc Ravalomanana, izay filohan’ny Komitin’ny Jobily faha-50 taonan’ny FJKM, mba ahafahan’ireo mpiofana ho Mpitandrina manana trano hipetrahana sy hianarana.

Jean D.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.